trans-9857

Ilay Liona sy ilay Voalavo

ATU075
LanguageMalagasy
OriginSpain

Indray andro hono, dia nisy voalavo kely iray, izay teo am-pivoahana ny lavaka, dia nifanena taminĂ  liona lehibe iray. Ilay Liona dia saika hihinana azy.

"Azafady, ry Liona, aza hoanina aho. Indray andro any mety mbo;a hila ahy ihany ianao!" Dia namaly ilay Liona: "Inona koa no mety hilavako zavatra kely toa anao?"

Fa teo am-pahitana azy kely ilay Liona dia nanapa-kevitra ny tsy hihinana azy indray fa nalahelo azy, ka namela azy.

Indray andro anefa nahare kiaka ilay voalavo. Kiakan'ilay Liona io! Lasa izy nijery tany an-toerana, ary nahita ilay Liona voafandrika. "Hanavotra anao aho!" hoy ilay Voalavo taminy. "Ianao? Tsy kely loatra ve ianao no hoe ianao indray no hanavotra ahy?"

Ary teo dia nanomboka nanaikitra ilay tady namandrika ilay liona ilay Voalavo, ary dia avotra ilay Liona nony farany.

Hatramin'izay, dia lasa mpinamana be foana ireo..


Download XMLDownload textStory